Cryptocarya
Ny Cryptocarya dia vondron-karazana zavamaniry misy voniny izay ahitana karazana 360 eo ho eo ao amin' ny fianakaviana Lauraceae, ao amin' ny filaharana Laurales. Hazo, na indraindray hazo madinika, izay mitsinjara amin' ny faritra Neôtrôpikaly, Afrôtrôpikaly, Indômaley, ary Aostralazia. ny ankamaroan' ny karazana ao aminy. Amin' ny ankapobeny, ankamaroan' ny karazana ao amin' ny Cryptocarya dia manana raviny mifandimby manaraka ny tahony, manana voniny kely misy felany enina, lahimbony manao andalana roa, ny andalana anatiny dia mifandimby amin' ny lahimbony tsy mamokatra, ary ny voany dia be nofony.

Tamin' ny fanasokajiana ny vondron-karazana natao vao haingana momba ny fianakaviana Lauraceae mifototra amin' ny fandaharana ADN, ny Cryptocarya dia nampidirana koa ny karazana tao amin' ny Beilschmiedia, tao amin' ny Potameia, tao amin' ny Endiandra. ary tao amin' ny Ravensara). Ny karazana fantatra indrindra eto Madagasikara dia ny havozo (Cryptocarya agathophylla na Ravensara aromatica na Ravensara anisata).
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Vondron-karazana zavamaniry misy voniny izay ahitana karazana 360 eo ho eo ny Cryptocarya. Ny lisitra omena eto dia araka ny nomen' ny BioLib (22 Avril 2019) izay tsy mahafeno an' io isa io:
- Cryptocarya angulata C.T. White
- Cryptocarya bamagana B. Hyland
- Cryptocarya bellendenkerana B. Hyland
- Cryptocarya bidwillii Meisn.
- Cryptocarya brassii C.K. Allen
- Cryptocarya burckiana Warb.
- Cryptocarya clarksoniana B. Hyland
- Cryptocarya claudiana B. Hyland
- Cryptocarya cocosoides B. Hyland
- Cryptocarya corrugata C.T. White & W.D. Francis
- Cryptocarya cunninghamii Meisn.
- Cryptocarya densiflora Blume
- Cryptocarya dorrigoensis Frodin ex B. Hyland & A.G. Floyd
- Cryptocarya endriandrifolia Kosterm.
- Cryptocarya erythroxylon Maiden & Betche ex Maiden
- Cryptocarya exfoliata C.K. Allen
- Cryptocarya faveolata C.T. White & W.D. Francis
- Cryptocarya ferrea Blume
- Cryptocarya floydii Kosterm.
- Cryptocarya foetida R.T. Baker
- Cryptocarya glaucescens R. Br.
- Cryptocarya glaucocarpa B. Hyland
- Cryptocarya grandis B. Hyland
- Cryptocarya gregsonii Maiden
- Cryptocarya hypoglauca Meisn.
- Cryptocarya hypospodia F. Muell.
- Cryptocarya laevigata Blume
- Cryptocarya leucophylla B. Hyland
- Cryptocarya lividula B. Hyland
- Cryptocarya macdonaldii B. Hyland
- Cryptocarya mackinnoniana F. Muell.
- Cryptocarya mannii Hbd.
- Cryptocarya meisneriana Frodin
- Cryptocarya melanocarpa B. Hyland
- Cryptocarya microneura Meisn.
- Cryptocarya murrayi F. Muell.
- Cryptocarya nitens (Blume) Koord. & Valeton
- Cryptocarya nova-anglica B. Hyland & A.G. Floyd
- Cryptocarya oblata F.M. Bailey
- Cryptocarya obovata R. Br.
- Cryptocarya onoprienkoana B. Hyland
- Cryptocarya pleurosperma C.T. White & W.D. Francis
- Cryptocarya putida B. Hyland
- Cryptocarya rhodosperma B. Hyland
- Cryptocarya rigida Meisn.
- Cryptocarya rubra (Molina) Skeels
- Cryptocarya saccharata B. Hyland
- Cryptocarya sclerophylla B. Hyland
- Cryptocarya smaragdina B. Hyland
- Cryptocarya triplinervis R. Br.
- Cryptocarya vulgaris B. Hyland
- Cryptocarya whiffiniana Le Cussan & B. Hyland
- Cryptocarya williwilliana B. Hyland & A.G. Floyd
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana Cryptocarya sasany maniry eto Madagasikara (jereo Ravensara). Betsaka amin' izy ireo ny antsoina amin' ny anarana ahitana ny hoe longotra (na longo-), tavolo na varongy (na varongi-).
- Cryptocarya alseodaphnifolia -- havozolahy, tavolomanitra
- Cryptocarya dolichocarpa (na Ravensara dolichocarpa) -- longotra, longotramena
- Cryptocarya fulva -- sary, tavoloberavina
- Cryptocarya humbertiana -- logodranomena, longodranomena, longotra, tsiramiramy
- Cryptocarya lacrimans -- hazoviary, oviary
- Cryptocarya louvelii -- longotramena, monty, sahaly, sary
- Cryptocarya ocoteifolia -- varongifotsy, varongimainty, varongy
- Cryptocarya pallidifolia -- sary
- Cryptocarya percoriacea (na Aspidostemon percoriaceus) -- longotra, tapikandrovana
- Cryptocarya perrieri -- longotrafotsy, longotramavo, longotramavokely, longotramena
- Cryptocarya rotundifolia -- tavoloberavina
- Cryptocarya scintillans -- longombato, longotra
- Cryptocarya spathulata -- sary
- Cryptocarya thouvenotii (na Ravensara thouvenotii) -- tavololahy, tavolomanitra, tavolopina, tavolopy
- Cryptocarya trianthera -- longotra, oviary, tapikimena