Tantara misongadina
Tantara farany
Vondrona Mpanavotra Biby ao Kiev, namindra toerana saka sy alika miisa 300 hiala tao atsinanan'i Okraina
Tsikaritr'ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa tena mora mifandray amin'ny olona ireo biby miaina anaty daroka baomba tsy mitsahatra any amin'ireo faritra misy ady. Matahotra izy ireo ary toy ny maniry ny mba ho avotana
Nepaley iray mpihanika tendrombohitra namonjy Maleziana iray mpihanika tendrombohitra avy ao amin'ny “Faritry ny Fahafatesana” ao an-tendrombohitr'i Everest
Ny 18 May, nandritra ny diany, Gelje Sherpa, mpihanika tendrombohitra matihanina sady Nepaley mpitari-dalana, dia nahavita asa famonjena nahatalanjona tamin'ny alalan'ny fanavotany Maleziana iray mpihanika tendrombohitra teo an-Tendrombohitr'i Everest.
Ny herin'ny vary sy ny tsiasisa ao Nepal
Hanina indroa isan'andro farafahakeliny, tsy hoe foto-tsakafo Nepali fotsiny ny vary ampangoro sy lasopin-tsiasisa na legioman'ny vanim-potoana masaka, fa zavatra lalina kokoa sy tena ilaina ao amin'ny faritra.
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
Yemen : ny anjara toeran'ireo feminista any ivelany manoloana ny ady atao amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona
Na marobe aza ireo fanamby atrehan-dry zareo, dia tohizan'ireo vehivavy Yemenita mpikatroka any ivelany hatrany ny tolony ho an'ny fandriampahalemana sy ny rariny ao amin'ny fireneny amin'ny alalan'ny hetsika adisisika ataon-dry zareo.
IciCongo: Sarin'ny mpampita vaovao an-tserasera iray te- « hitantara an'i Kôngô amin'ny fomba hafa »
Ao RDC, misy media iray an-tambajotra te-hiavaka amin'ny hafa amin'ny fanandratana matoandahatsoratra manome toerana ny fiainana andavanandro araka ny tena iainan'ny ankamaroan'ny Kôngôley azy ao amin'ilay faritra
Zavakanto manohitra ady teny an-dalamben'i Saint Petersburg: Endrika fifaharana iray
Ranty Instagram manasongadina fanoherana ady hita teny an-dalamben'i Saint-Pétersbourg tamin'ny taona 2022 sy 2023, izay efa voafafan'ny manampahefana avokoa.
The Boomerang: Fanabeazana sy firotsahana sivily ao amin'ny Lohasaha afovoan'i California
"Mitady hino ny mpahay siansa politika... fa tsy azo inoana loatra havitrika amin'ny fiainam-pirenena ny tanora ao anaty fianakaviana tsy mizaka ny zom-pirenena U.S. satria tsy nianatra izany tamin'ny ray aman-dreniny"
Taratasim-baovao RV : Mankalaza fihodinana hafa iray amin'ny fanentanana @DigiAfricanLang ataonay ao amin'ny Twitter
Fahamaroam-piteny, fahaizana ny media, zo nomerika sy maro hafa!
Tatitra Unfreedom Monitor : Kirgizistana
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Kirgizistana. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
















Hevitra farany
Azafady, tsy nisy namoaka hevitra