Cleomaceae

Ny Cleomaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ahitana karazana eo amin' ny 300 eo ho eo izay mitsinjara amin' ny antoko 6 ka hatramin' ny 20, ao amin' ny filaharana Brassicales. Fianakaviana zavamaniry nampidirin' ny Angiosperm Phylogeny Website (APG III) izy io ka sy hita ao amin' ny fanasokajiana klasika. Ahitra izy ireo amin' ny ankapobeny—na dia misy ihany ny hazobotry sy ny hazo ary ny vahy—ary miely patrana any amin' ny faritra sobtrôpikaly sy trôpikaly.
Tsy misy io fianakaviana io ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981), izay mametraka ireo zavamaniry ireo ao amin' ny fianakaviana Capparaceae. Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) kosa, dia tafiditra ao anatin' ny Brassicaceae ireo zavamaniry ireo (miaraka amin' ny Capparaceae). Eken' ny Angiosperm Phylogeny Website (25 Aogositra 2006) ny fisian' ny fianakaviana telo miavaka tsara (Brassicaceae, Capparaceae, Cleomaceae).
Lisitry ny antokon-javamaniry
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny antokon-javamairy ao amin' ny Cleomaceae araka ny NCBI (16 Jona 2010):
- Cleome
- Cleomella
- Oxystylis
- Podandrogyne
- Polanisia
- Wislizenia
Inty ny lisitry ny antokon-javamairy ao amin' ny Cleomaceae araka ny Angiosperm Phylogeny Website (16 Jona 2010):
- Beautempsia Gaudich.
- Belencita H.Karst.
- Borthwickia (en) W.W.Sm.
- Buhsia Bunge
- Cleome L. (tafifitra ao ny Gynandropsis DC. sy ny Sieruela Raf.)
- Cleomella DC.
- Cristatella Nutt.
- Dactylaena Schult.f.
- Dipterygium Decaisne
- Haptocarpum Ule
- Isomeris Nutt.
- Neothorelia Gagnep.
- Niebuhria DC.
- Oxystylis Torr. & Frem.
- Podandrogyne Ducke
- Poilanedora Gagnep.
- Polanisia Rafinesque
- Puccionia Chiov.
- Steriphoma Spreng.
- Wislizenia Engelm.
Antokon-javamairy misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny antokon-javamairy ao amin' ny Cleomaceae misy eto Madagasikara:
- Cleome L. (tafiditra ao ny Gynandropsis DC. sy ny Sieruela Raf. arakaraka ny famaritana)
- Gynandropsis DC.
- Sieruela Raf.