Hankany amin'ny vontoatiny

Moringa

Avy amin'i Wikipedia
Image
Moringa ovalifolia

Ny Moringa dia antokon-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Moringaceae, ao amin' ny filaharana Capparales, izay tsy manana afa-tsy io antoko tokana io. Ahitana karazana hazo 13 izay maniry amin' ny toetany trôpikaly sy sobtrôpikaly izy io. Ny karazana fantatra indrindra dia ny Moringa oleifera izay hazo maro fampiasana (anisan' izany ny maha zavamaniry fanafody azy), avy any India, ambolena any amin' ny tany trôpikaly. Ambolena betsaka ihany koa ny Moringa stenopetala, izay karazana afrikana, na dia ny Moringa oleifera aza no be mpamboly indrindra.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Image
Moringa drouhardii
Image
Moringa oleifera

Karazana Moringa 13 no misy.

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Image
Moringa hildebrandtii

Telo ny karazana Moringa misy eto Madagasikara:

  • Moringa drouhardii — hazomalanga, maroseranana, marosirana (tsy fahita raha tsy eto Madagasikara)
  • Moringa hildebrandtii — felinimirongo, maroseranana (tsy fahita raha tsy eto Madagasikara)
  • Moringa oleifera — anambo, anamorongo, ananaboringa, ananambo, felikambo, felikamoranga, felinimorongovazaha, landihazo, moringa, morongo, morongy, soahazo (nampidirina avy any India)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]