Hankany amin'ny vontoatiny

Zea

Avy amin'i Wikipedia
Image
Katsaka (Zea mays)

Ny Zea dia vondron-karazan-javamaniry tokan-dravin-tsimoka, mamony, ao amin' ny foko Andropogoneae, ao amin' ny zana-pianakaviana Panicoideae, ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Ity vondron-karazana ity dia ahitana karazana vitsivitsy avy any Meksika, ka ny malaza indrindra dia ny Zea mays (antsoina hoe katsaka), izay iray amin' ny voly manan-danja indrindra ho an' ny olombelona manerana ny ampahany be amin' ny tany. Ny karazana tsy famboly efatra dia fantatra amin' ny anarana hoe "teosintes" ary teratany any Mesôamerika.

Image
Zea diploperennis

Ireto ny karazana dimy ekena:

  • Zea diploperennis
  • Zea luxurians
  • Zea mays L. (katsaka)
  • Zea nicaraguensis
  • Zea perennis

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]