Mizana

Ny mizana dia fitaovana ampiasaina handrefesana ny lanja amin' ny alalan' ny fampitahana azy ireo amin' ny vatomizana izay fantatra ny lanjany. Nanjary fitaovana tena marina tokoa ny mizana tamin' ny taonjato faha-19.
Tamin' ny taonjato faha-17 dia nanova ny fandanjana ny famoronan' i Roberval tamin' ny fametrahana ny lelamizana eo ambonin' ny tahony (anjam-by lavalava mihodina manodidina ny teza marindrano) fa tsy eo ambaniny intsony. Tamin' ny taonjato faha-18 dia nahatonga ny fampiasana mahomby ny mizana tany amin' ny labôratoara ny fandinihan' i Lavoisier. Nohatsaran' i Béranger ny mizana Roberval, izay nampihena ny hery andaniny sy akilany sady nampihena koa ny fikasohana tamin' ny alalan' ny fanoloana ny tahon-kery amin' ny taho kely.

Tamin' ny taonjato faha-20 dia nahenika ny tobim-barotra rehetra tamin' ny nisehoan' ny "mizana mandeha hoazy" tamin' ny tapany faharoan' ny taonjato faha-20, mizana izay manana tava boribory na miendrika fikopaka misy tetidrefy, izay manondro ny lanja amin' ny alalan' ny marika mihetsika, ka tsy ilaina famindrana ny vatomizana amin' ny tanana.
Nitondra fiovana amin' ny fanamboarana mizana, izay tsy ahitana singa mekanika maro intsony, ny elektrônika. Nahafahan' ny fitaovana misy efi-jery sy mpanonta printy mampiseho ny refy tiana ho azo ny nomerika, toy izay hita eny amin' ny varotra, izay mampiseho ny vidy mifandraika amin' ny habetsahan' ny zavatra lanjaina.