hetra
Fiseho
Malagasy
[Ovay]
Anarana iombonana
hetra
- Talohan' ny elanin' ny tany nomen' ny mpanjaka ho an' ny fianakaviana mba hivelomany, izay nahavoka vary ampy handoavana ny ampahany ho an' ny mpanjaka. Izany vary izany no nahatonga ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana.
- Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra.
- Vola aloa amin' ny fanjakana noho ny maha-olom-panjakana, toy ny hetra isan-taona amin' ny fananana toy ny tany na omby. Taloha dia nisy ihany koa ny hetra isandahy ho an' ny lehilahy feno taona saingy efa foanana izao.
- Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy.
- Vola atao hoe "impôt, taxe" na "redevance" amin' ny teny Frantsay.
- Vola atao hoe "taxes" amin' ny teny Anglisy.