Hankany amin'ny vontoatiny

Taho

Avy amin'i Wikipedia
Image
Taho

Ny taho, ao amin' ny zavamaniry, no teza, amin' ny ankapobeny miseho ety ivelan' ny tany na ao ambanin' ny tany (ny vodin' ny zavamaniry sasany, ny taranja na rizôma), izay mitohy amin' ny faka sy mitondra ny vony sy ny ravina ary ny voa. Atao hoe ladina ny tahon' ny zavamaniry mianika. Ny taho dia ipoirana rantsana sy zanataho. Ao amin' ny hazo sy ny zavamaniry madinika kokoa misy nofon-kazo, ny bôtanista dia manavaka ny vatan-kazo, izay ampahany lehibe amin' ny ankapobeny tsy misy ravina eny amin' ny fotony sy ny laha-kazo aman-dravina, voaforon' ny sampana lehibe sy ny rantsana.

Image
Anatômian' ny zavamaniry:1. Rafi-tsampana (6: taho, 9: tonony) 2. Rafi-paka 3. foto-taho.

Ny taho dia tsy mitovy amin' ny faka noho ny fisian' ny tonony izay ivoahan' ny vontsina sy ny ravina. Ny fiampitana avy eo amin' ny faka sy ny taho dia eo amin' ny foto-taho. Misy ny taho ambanin' ny tany sy ny faka ambonin' ny tany (an-drivotra) amin' ny zavamaniry sasany.

Amin' ny fomba fitomboany sy fisampanany, ny taho no mamaritra ny endriky ny zavamaniry; izy no miantoka ny fanohanana sy ny fitaterana otrikaina eo anelanelan' ny faka sy ny ravina. Fonenan' ny karazam-biby maro matory na manatody ny taho poakaty.

Ao amin' ny Spermatophyta, taho kely ny tahon-tsimoka mitondra ny ravin-tsimoka sady mifarana amin' ny vontsina atao hoe vololon-tsiry.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]